ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Notokanana ny sekoly EPP Ambatofotsy

Ny alarobia lasa teo no nanatontosana ny lanonana, izay nanoloran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ny fanalahidin’ny sekoly, EPP Ambatofotsy, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ihany. Araka ny voalaza, anisan’ny sekolim-panjakana tranainy indrindra ao an-toerana ity EPP ity mitaha amin’ireo EPP miisa 9 ao anatin’ny kaominina; antony nanaovana ny fanavaozana mba ho antoky ny kalitaon’ny fampianarana.

« Isaorana feno ny ben’ny tanàna amin’ny ezaka izay hataony amin’ny fanavaozana ny sekoly tahaka izao. Efa ela tokoa no naniriana ny mba hisian’ny fanavaozana ny sekoly. Afaka mianatra sy mifantoka ara-dalàna ny mpianatra rehefa manaraka ny fenitra ny trano fianarana. Anisan’ny manome lanja ny fampianarana ny ezaka tahaka izao » hoy i Felana, ray amandrenin’ny mpianatra.

« Manana anjara lehibe ireo tomponandraikitra, mpampianatra, mpanabe amin’ny fanentanana ny mpianatra sy ireo mpampiasa ny trano fianarana amin’ny fikojana sy fikolokoloana izany, mba haharitra. Anisan’ny efa tafiditra ao anatin’ny fanabeazana ary mahamendrika ny fahaizana manaja ny fananana iombonana » hoy i Mino, mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra.

Taratry ny fanabeazana ary fahalalam-pomba ny fahaizana manaja ny fananana ny fananana iombonana ary manomboka eny amin’ny fanabeazana no tokony hanentanana izany. Ny famolavolana ny ankizy hatrany amin’ny ambaratonga fototra no mahatonga olom-banona mampandroso ny firenena.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire