Rahoviana vao ho tapitra ny asan-dahalo ?
Tsy mifidy andro sy fotoana intsony ny jiloahy hanaovana ny asa ratsiny. Toy ny nahazo ilay tranombarotra mpamongady iray tao Ambodifilao, ny Alatsinainy 22 martsa tokony ho tamin’ny 12 ora sasany atoandro teo. Niisa dimy ireo jioalahy ary somary hita ihany ny endriny fa tsy dia tsikaritry ny manodidina loatra. Ny 03 tamin’ireo jiolahy no niditra tao anatin’ny magazay ary ny 02 ambiny kosa niandry teo ivelany. Voalaza fa nitondra basy ny iray ary nitondra antsy lava ny faharoa ka nandrahona ny rehetra tao an-tsena izy ireo ary nitaky ny vola avy hatrany. Vaky nitsoaka nanaraka ny totoha-baton’Ambondrona ireto jiolahy rehefa azon’izy ireo ny vola mitentina 60 tapitrisa Ariary. Efa fotoana elaela taty aoriana vao tonga ny mpitandro filaminana ka nanao fanarahan’dia saingy efa tsy tratra intsony izy ireo. Efa za-draharaha loatra ka sarotra ny ahazoana azy. Mandra-pahoviana vao handry fahalemana ny vahoaka ka afaka manampy ny fihariany am-pilaminana tsy misy tahotra? Efa mandeha ny fanadihadihana mahakasika ity raharaha ity ary efa nisy ireo nalaina am-bavany. Marina fa efa manao izay ho afany ny mpitandro filaminana amin’ny fanafoanana ny ratsy eto amin’ny firenena kanefa tokony hisy foana ny fanavaozana ny paik’ady mba hanamorana ny asany.
Nicole Rafalimananjara
