Antananarivo : Vanim-potoanan’ny fitohanan’ny fiara lavareny ny fahavaratra
Fotoana mampirongatra ny fitohanan’ny fiara ny vanim-potoana fahavaratra, raha ny eto an-drenivohitra manokana no resahina. Mipoitra avokoa ireo lalana ratsy amin’izany fotoana izany, ary miha lalina sy miha maro ireo lavaka izay tsy nisy fanamboarana vokatry ny rotsak’orana.
Eo ihany koa ny fahatsetseman’ny lakan-drano vokatry ny fanariana fako ataon’ny mponina manodidina sy ireo mpampiasa lalana, hany ka tsy misy hivarinana intsony ny rano. Miparitaka eny amin’ny arabe ny fako, ny ranon’orana sy rano maloto izay anisan’ireo antony manimba ny lalana. Raha tsihaivina, efa maro ireo fikambanana misahana ny fanadiovana ny tanàna no manao ireo tetik’asa sy ezaka hiomanana sahady amin’ny fahatongavan’ny fahavaratra. Maro ireo toerana ahiana hampidi-doza no efa nandraisaina fepetra tandrify izany, saingy ny fepetra manoloana ny fitohanan’ny fiara amin’izany fotoana no izany tsy mbola misy hatramin’izao.
« Mbola maro ireo lalana mila fanamboarana eto Antananarivo raha tiana ny hanafoana ny fitohanan’ny fiara » hoy i Fetra, mpampily fiara fitateram-bahoaka. « Zatra mitaraina ny Malagasy vantany vao misy tsy fahatomombanana. Eo ihany koa ireo fihetsika miaro tsy fanajana ny fotodr’asa iombonana, nefa rehefa misy fahasimbana dia ireo tompon’andraikitra ambony hatrany no omen-tsiny » hoy i Michael, mpianatra. « Tsara ny manamarika fa ny fanariana rano eny amin’ireny arabe vita amin’ny tara ireny no antony tsy mampaharitra ny fotodrafitr’asa. Efa nisy ihany ny fanentanana mahakasika izany saingy minia manampi-tsofina avokoa ireo mponina voakasik’izany. Noho izany tsy avy amin’ny orinasa miandraikitra ny fanamboaran-dalana no mahatonga ny faharatsian’ny lalana, fa avy amin’ny mponina manodidina sy ireo mpampiasa lalana » hoy i Sariaka, injeniera mikasika ny asa vaventy.
Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fikajiana sy fikolokoloina ireo fotodrafitr’asa izay anisan’ny mampandroso ny toerana iray ireo mponina manodidina. Tsy iandrasana ireo tompon’andraikitra foana izany, fa izany no marika hahafantarana fa olona manana toe-tsaina sarotiny amin’ny fanana iombonana ny Malagasy. Voasokajy ho isan’ny andraikitra sahanin’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa izany toetra izany. Avy amin’ny tsy fahatongavan-tsain’ny tsirairay manoloana ny adidiny amin’ny firenena ihany no mety hanimba ny firenena, koa sahia mandray andraikitra, arovy sy hajao ny fananana iombonana.
Haingotiana Andriamihaja
| ReplyForward |
