ActualitésTsidika

Morondava : Roa taona izay no nijanona tanteraka ny fampianarana

Ny faharatsin’ny fotodrafitr’asa sy tsy fahampian’ny fitoavana no matetika olana mitranga raha ny eo amin’ny lafiny fampianarana any amin’ny faritra manokana. Saingy tsy izany no iainan’ireo mpianatra any Ankazomanga, fokontany iray ao amin’ny kaominina Bemanonga, mandrafitra ny disitrikan’ny Morondava.

Miala an-daharana avokoa ireo mpampianatra ao amin’izany sekolim-panjakana izany noho ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fahasarotan’ny famatsian-drano. Etsy andaniny, ampy handraisana ireo mpampianatra ny fotodrafitr’asa misy any amin’izany tanàna izany, saingy ny tsy fandraisana andraikitr’ireo tompon’andraikitra isan’antokony no tsy ampy. Ny taona 2017 no nanomboka nisy ny sekolim-panjakana tany an-toerana raha toa ka tao anati’ny roa taona izay no nikatso tanteraka ny fampianarana noho ny tsy fisian’ny mpampianatra. Maro anefa ireo ankizy maniry ny hianatra saingy tsy manana ny fahefana hifitra any amin’ny sekoly tsy miankina.

Marihina fa efa nivaha ny olana tamin’ny famatsian-drano. Efa misy ny lava-drano izay tetik’asa napetraky ny ben’ny tanàna tany an-toerana.

« Ireo mpianatra madinika mandrakariva no mizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitra ataon’ireo lehibe. Zary lasa atao antsirambina ny fampianarana amin’izao fotoana » hoy i Tsiresy, mpianatra. « Azo lazina hoe tara ihany ny fandraisana andraikitry ny ben’ny tanàna. Vahaolana tsy dia sarotra akory dia roa taona vao vita » hoy i Ndriana, mponina any Morondava. « Tsy azo ekena raha ohatra ka tandrevaka ataon’ny tompon’andraikitra iray no hanimbana ny hoavin’ny ankizy. Manana zo feno ny handrato fianarana ny ankizy, ka anjaran’ireo mpisehatra rehetra manoloana izany ny misahana ny fanatanterahina » hoy i Vaniala, tompon’andraikitra eo amin’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy. « Efa nandray ny andraikitra tandrify amin’ny fandravonana ny olan’ny fampianarana izahay ka noho izany indrindra no nametrahana ny lava-drano akaiky ireo mponina. Ny fandriampahalemana no hany sisa olana mipetraka, izay iantsoanay fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana » hoy ny tompon’andraikitra ao Bemanonga.

Mitotongana mandrakariva ny lanjan’ny fampianarana eto Madagasikara, ka tsy mahagaga intsony raha ahenoana olana isan’andro izany sehatra izany. Miteraka fahantrana ho an’ny firenena anefa ny fanimbana izany, ary tsy azo antenaina mihitsy ny hanarenana indray ny firenena raha atao tsinontsinona hatrany ny fampianarana. Fampianarana ho an’ny rehetra anefa no vina napetraky ny Filoham-pirenena, saingy ny ampahany amin’ny ankizy sy tanora eto Madagasikara ihany no misitraka izany ankehitriny. Ny taom-pitondrana etsy andaniny efa madiva hifarana. Mijanona ho fampanantenana fotsiny ihany ve ireo velirano napetraka ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire