ActualitésTsidika

Institut Radama : Manome lanja ireo ankizy sahirana amin’ny lafiny fampianarana

Angady ampiasana hiadina amin’ny fahantrana ny fianarana.  Betsaka  anefa ny ankizy no mbola tsy miditra an-tsekoly  ankehitriny. Ezaka lehibe ataon’ny « Institut  Radama » ny hampidirana ny ankizy hianatra ato amin’ny kaominina Tanjombato, distrika Antananarivo-Atsimondrano.  Harena voalohany hoan’ny zanaka ny fianarana. Maro ireo ankizy izay maniry ny hianatra saingy tsy manana fahafahana nohon’ny fahasahiranana.

 Raha ho an’institut Radama, ezaka lehibe ataon’ny sekoly ny fanomezana lanja   ny  lafiny fampianarana. Misy ny ankizy izay beazina sy ampianarina maimaim-poana mba hitsinjovana ny ho avin’ny ankizy. Tsy izany ihany  anefa fa mba hitsinjovana ireo ray aman-dreny izay tena tsy manana irika hampidirana ny ankizy an-tsekoly. « Anisan’ny mampiavaka ity sekoly ny fanampiana ny sahirana. Misy ankizy sahirana izay raisina sekoly an-tanana foana, hampianarina maimaim-poana, notaizana tato. Hatramin’izao izahay mbola miezaka mitazona izany foana. », hoy i Ramatoa Rakotoarivony, Talen’ny Sekoly.

Tanjona goavana ato amin’ity sekoly ity ny hanomezana kalitaom-pampianarana tsara hoan’ny ankizy. Izany hoe mitovy daholo ny fandraisana ireo ankizy izay mianatra ao. Tsy misy ny fanavakavahana fa mitovy lenta daholo ny mpianatra. Manome lanja sy mitsinjo  ny faripiainan’ny tsirairay ny sekoly. « Izahay zany miezaka dia miezaka hanome ny kalitao tsara. Tsy hoe akory ankizy sahirana dia tsy omena zavatra tsara fa mifanohitra aza, hampianarina izy hoe ohatr’izao anie rankizy ny manao zavatra tsara izany. Tsy hoe sahirana izy reo dia hoe maloto,voretra, tsy mahalala fahadiovana, tsy mahalala fomba. Izany no anjara asa ny mpanabe hanova ny ankizy ho olom-banona.  Zava-dehibe izany amin’ny fiainan’ny olombelona », hoy hatrany ny fanazavana nataon’ity Talen-tsekoly ity.

Noresahany koa  fa tokony hasiana fanavaozana ny endrikin’ny fampianarana eto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny rafim-pampianarana, Tokony jerena akaiky ny resaka kolikoly eny anivon’ny ireny CISCO ireny. Tsy izany ihany fa tokony omena fiofanana matihanina ireo mpampianatra. Nilaza ihany koa ny tenany fa ilaina ny fifantenana tsara ireo mpampianatra satria ireo no fitaratra entin’ireo ankizy eny amin’ny fiainany. Manana anjara andraikitra lehibe ireo mpampianatra sy  ny mpanabe hamolavola ny mpianatra ho olom-banona eto amin’ny firenena. 

Erwan RAN

Laisser un commentaire