ActualitésTsidika

Ambodiampana : Nampisaritaka ny olona ny didy navoakan’ny lefitry ny distrika

Norefesin’ny olona niaraka tamin’ny farihiny ny tany manodidina izany izay mirefy 1 hekitara tao Ambodiampana distrikan’ny Bealanana, velon-taraina arak’izany ireo mponina ka manao antso avo amin’ny manam-pahefana.Raha hiverenana ny tantara dia misy olona maromaro izay manana tany manodidina ny farihy iray mirefy 1 hekitara izay atao hoe « matsabory ny hambanana ». Indray andro anefa tonga tany an-toerana ny lefitry ny lehiben’ny distrika ka namory olona vitsivitsy niaraka tamin’ilay tompon-tany, namoaka didy ny lefitra ny disitrika hoe « didina ny fokonolona na fikambanana mpanjono, mba tsy hiditra amin’io Matsabory hambana io fa omen-dalana kosa Rtoa Rasoamananjara sy ny tariny hisitraka io Matsabory Hambana io » hoy ny mponina ao an-toerana. »Misy koa ny olona sasany mampiasa tany ohatrin’ny hoe tsy manan-tompo dia avy eo rehefa tonga anefa ilay tompotany dia milaza fa maka ankeriny sy ny sisa amin’izay, raha manana tany ianao dia ilaina ny taratasin-taninao ahafahanao miaro tena koa iny raha miakatra tribonaly ny raharaha » hoy ny tompon’andraikitra amin’ny resaka fananan-tany ao an-toerana. »Rehefa naheno io didy io izahay manodidina ny farihy dia nanantona ny Sojabe sy filoham-pokotany ary ny ben’ny tanana fa tsy misy mahafantatra ny mahakasika izany izy ireo. Ny mahagaga anefa nolazain’ny lefitry ny lehiben’ny distrika ao amin’ny didy navoakany fa isany nanatrika ny famoahana didy ny filoham-pokontany, nilaza anefa ity farany fa tsy nanatrika izany ary tsy nahafantatra izany. Tsy afa-po izahay mbola nandeha tany amin’ny ben’ny tanana, namaly izy fa tsy nanatrika izany koa ary tsy mahafantatra ny mikasika izany, mbola nandeha tamin’ny lehiben’ny distrika mivantana izahay, noraisin’ny soa aman-tsara, ary notantarainay ny zavatra nakanesanay tany aminy, namaly izy fa tsy mahalala ary tsy nampahalalana ity zavatra ity raha tsy vao io fa hiezaka handamina ny raharaha ny tenako fa mbola hifampiresaka izahay, ary nasainy niverina tamin’ny 22 aogositra teo izahay ary rehefa tonga ilay fotoana nomeny, dia niverina izahay fa tsy voaray intsony » hoy Emmanuel, izay nisolo tena ireo namany sy ny mpanjono miasa ao amin’ity Farihy ity. »Ny fanaovana an-keriny amin’ny tanin’olona dia anisany mbola mahazo vahana ankehitriny, ary miha mitombo mihitsy, ny sampan-draharaha ao amin’ny fananan-tany mihitsy no tsy ampy ny fomba fiasan’izy ireo ka mahatonga ny mpangala-tany mahazo vahana, ny fanjakana ihany mantsy no afaka mamaha ny olana toy izany fa ny olona na hanao inona na inona dia atody miady amim-bato » hoy i Georges tekinisianina amin’ny resaka fananan-tany.Vao tsy ela tao Ambalamadio toamasina no nisiana hetsika niadiana amin’ny fangalaran-tany, olon-tsotra mantsy no naka ny tanin’izy ireo ka teo niteraka ny olana, nanana ny taratasiny ara-dalàna ity olona ity kanefa ny vahoaka koa nanana ny azy ka raikitra ny fifanjevoana. Inty tao Bealalana Ambodiampana ity kosa mbola somary manjavozavo na dia izany aza.Ny tena mety indrindra dia ny manakatra ny raharaha rehefa sendra adin-tany toy izao, fa izany hoe ny olana fotsiny indraindray dia ilay resaka kolikoly ka mety hiala maina izay tena tompony. Any amin’ny resaka tsolotra mihitsy izany no ilaina foanana dia afaka ny hilamina hoa azy ny tsirairay.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire