Covid-19 : Inona avy ireo karazana vaksiny entin’izao tontono izao miady amin’ny coronavirus ?
Efa saika manome vaksiny ny mponina ao aminy avokoa ny firenena manerantany amin’izao. Misy ny efa ela no nizara ny vaksiny ; ny sasany kosa somary taraikiraiky. Tsy ny firenena rehetra koa anefa no afaka manamboatra ireny vaksiny ireny. Ny firenena matanjaka ihany no manana fahafahana ara-bola hanaovana fikarohana mikasika ity vaksiny hiadiana amin’ny covid-19 ity. Tsy mitovy koa ny fomba fanamboarana ireo vaksiny ireo. Misy karazany efatra ny lalantsaina nitondrana ny fomba fanamboarana ny vaksiny.
Karazany voalohany horesahintsika ny vaksiny mampiasa ny « ARN messager ». Izy io no voalaza fa hiaka farany amin’ny vaksiny. Ampidirina amin’ny vatan’olombelona ny singa antsoina hoe « ARN messager », izay singa foronina, mitovitovy endrika amin’ny ampahany amin’ny coronavirus nefa tsy izy. Manosika ny vatan’olombelona hanamboatra « protéine » manokana hiady aminy io « ARN messager » io, ka rehefa tonga ilay tsimok’aretina coronavirus tena izy, dia efa vonona ilay « anticorps » miady aminy. Mampiasa ity teknolojia ity ny Pfizer/BioNTech sy ny Moderna.
Ny karazany faharoa dia ny fampiasana ny « virus inactivé ». Izy ity no be mpampiasa indrindra. Teknika efa nampiasaina tamin’ny vaksiny hafa ihany (poliomyélite, grippe, diphtérie, tétanos) no ampiharina eto : tsimok’aretina coronavirus noalefahana no ampidirina amin’ny vatan’olombelona, mba ahafahan’ity farany mizatra ny fisiany sy mizatra miady aminy, ka tsy hanano-sarotra rehefa tonga ilay tsimok’aretina tena izy. Mampiasa ity teknolojia ity ny Sinovac, ny Sinopharm, ny Bharat biotech.
Ny fahatelo dia ny « vecteurs viraux ». Tsotra ny fomba fiasany : mampiasa tsimok’aretina hafa, malefaka kokoa, antsoina hoe « adenovirus », ka ampiana ampahany amin’ny coronavirus. Lasa mitovy amin’ny coronavirus izany ity tsimok’aretina ity, saingy malefaka ka tsy afaka miparitaka. Mamorona « anticorps » miady aminy ny vatan’olombelona, ka tsy mampaninona azy intsony rehefa tonga ny coronavirus tena izy. Mampiasa ity teknolojia ity ny AstraZeneca, ny CanSino Biologics, ny Sputnik V, ny Johnson&Johnson.
Ny karazany farany dia ny « vaccin à sous-unité protéique ». Tsy misy tsimok’aretina ampidirina amin’ny vatan’olombelona fa ampahany fotsiny, ilay antsoina hoe « protéine Spike » no ampiasaina. Voalaza fa ity teknolojia farany ity no azo antoka indrindra. Ara-taratasy ihany anefa izany filazana izany satria mbola tsy vonona ny fanaparitahana ity karazana vaksiny ity. Mbola tsy nahazo alalana izy hatramin’izao. Ny Novavax sy ny Sanofi-GSK no mampiasa ity teknolojia ity.
Herimalala Ratsimbazafy
