Alasora : Misy efatra miandahy ireo solontena handray anjara amin’ny « Festival du film en poche »
Amin’ny alahady 20 Novambra 2022 no hanatanterahana ny « festival du film en poche », any Carry Le Rouet, France. Misy efatra mianadahy ireo solo-tena mpandray anjara amin’ity andiany ity, dia i Anthonio, izay nahazo ny mari-pahaizana ambony indrindra tamin’ny bakalorea teknina farany teo, ao ihany koa i Hortensia Fantsoa, nandray anjara tamin’ny miss little Madagascar 2023, Mirana Tantely, izay tompondaka tamin’ny taranja Judo ary i Antso, mpianatra ao amin’ny CEG Alasora.
« Efa nandray anjara tamin’ny festival du film en poche hatrany ireo tanora avy ao Alasora tamin’ny andiany voalohany sy faharoa ary nandrombaka ny amboara nandritra izany. Amin’izao andiany fahadimy izao dia manentana ireo mponina amin’ny fanohanana azy ireo amin’ny firarian-tsoa isan-karazany mba hody aty Alasora hatrany ny amboara » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Anisan’ny manome lanja ireo tanora manana ny mampiavaka azy ny hetsika tahaka izao. Mila fanohanana avy amin’ny rehetra, indrindra fa isika mponin’Alasora satria mitondra ny anarantsika izy ireo ary mananasongadina antsika » hoy i Estella, mpampianatra.
Raha tsiahivina, fiaraha-miasa eo amin’ny ben’ny tanàna ao Alasora sy ny ao Carry le Rouet any Frantsa no hisian’izao hetsika izao. Mpiahy izany andiany fahadimy izany i Jean Pierre Foucault, ary tafiditra ho isan’ireo mpitsara ny ben’ny tananan’Alasora.
Manitra Ramanantsoa
