Facebook sy ny heriny : Naneho ny heriny tamin’ny voka-tsoa entiny indray ny facebook
Efa manjaka ary efa be mpampiasa tokoa ny « facebook » raha ny eto Madagasikara no hasiana maso. Maro ny tombony azo ao anatin’ny fampiasana azy ity, toy ity tovovavy kely maniry ny ho lasa miaramila eo anivon’ny tafika an’habakabaka ity. Vao 11 taona i Ainasoa dia maniry ny ho lasa miaramila ao amin’ny tafika an’habakabaka. Niparitaka tao anatin’ity tambazotran-tserasera ity moa izany hetahetany izany ka noraisin’ny tompon’andraikitra an-tanana ny fanoroana sy fampahafantarana azy ny lalana sy ny dingana mila tratrariny amin’izany.
« Dieny mbola kely ny zaza rehefa manana tanjona lehibe tahaka izao dia efa mila ampahafantarina azy dieny mialoha ny asa sy ny ezaka izay miandry azy mba hahafahany manatratra izany tanjony izany. Vitsy ny ankizy manana izany tanjona izany, ka tsara raha dieny mbola kely izy dia hampiomanina amin’ny miandry azy rehetra » hoy ny Lieutenant Malalatiana Sylvia Hubert avy ao amin’ny tafika an’habakabaka. Etsy ankilany anefa “mila mamorona fandaharana ny haino vaky jery eto an-toerana hampahalalana ny ankizy sy ny tanora ny sehatr’asa rehetra misy eo amin’ny fanjakana » hoy i Rodolphe tamin’ny fanehoan-keviny mahakasika ity zava-nisy ity.
Maro ny ankizy no manana faniriana amin’ny sehatra goavana tahaka izao, saingy ny enti-manana no tsy ampy ka zary lasa niova hevitra amin’ny asa hafa izy ireny. Tsara kokoa raha ampidirina anaty fandaharam-pianarana ny zavatra toy izao.
Miora Raharisolo
