TatitraTsidika

Afrique du Sud : Misy ireo manao fitrandrahana arina tsy ara-dalàna

Maro ireo manao fitrandrahana arina tsy ara-dalàna any amin’ny faritra maromaro ao Afrique du Sud. Maro ireo tsy an’asa any an-toerana ankehitriny ka mahatonga azy ireo hanao izao fitrandrahana tsy ara-dalàna izao. Nambaran’ny fitondram-panjakana any an-toerana anefa fa manimba ny tontolo iainana sy manimba ny harena an-kibon’ny tany ity asam-pitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna ity. Maneho ny fahantrany kosa anefa etsy ankilany ny ankabeazan’izy ireo. Efa niandry vahaolana maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo, saingy tsy mbola misy izany hatreto. Enjehin’ny lalàna any an-toerana ihany koa anefa izany fitrandrahana izany. Voka-dratsy mahatonga ny tany ho mando sy malama foana ary manimba ny rivotra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna izany. Mbola maro ihany koa etsy ankilany ny ireo mila arina fandrehatra manerana ny faritra rehetra. Mikasa ny hampihena ny hatrany amin’ny 59% io fitrandrahana tsy ara-dalàna io ny fanjakana any an-toerana hatramin’ny taona 2030. “Tsy mampijaly antsika noho ny hanoanana ny fahalotoana. Miala tsiny amin’ny taranaka faramandimby, fa mijaly izahay anio, » hoy ny fialantsiny nataon’i Eddie Malaga, mpitrandraka tsy ara-dalàna. “Ny anio aloha no fantatray, hoy kosa ny mpitrandraka sasany”.

Laisser un commentaire