Myanmar : Nanapakevitra ny tsy hiatrika ny lalao olimpika i Win Htet Oo, mpilalao taranja lomano
Mpilalao eo amin’ny taranja lomano iray no nanapa-kevitra ny hanatsahatra ny nofinofiny noho ny zava-misy eo amin’ny fireneny. Midika ho mandoka ny fitondrana misy ankehitriny ny fandraisana anjara amin’ny lalao olympika any Tokyo, hoy izy. Nanambara kosa ny fahavononany hiatrika ny zava-misy ao an-toerana aloha izy, ary hiady ho an’ny tanindrazany. Nandritra ny lalaon’i Asie no tena nahafantarana azy, io lalao io izay nahavoafidy azy ho tonga hatrany amin’ny lalao olimpika. Efa saika niandry ny handraisany anjara amin’ity lalao ho avy ity avokoa ny olon-drehetra, saingy tsy izay anefa ny zava-misy. Tsy nampoizin’ny maro ihany koa ny fanapahan-keviny. Nilaza izy fa tsy handeha eo ambanin’ny sainam-pirenena feno ran’ny vahoaka maro. Win Htet Oo no anaran’ity lehilahy sangany eo amin’ny sehatry ny lomano ity. “Te hampiseho amin’ny vahoaka Birmbas aho fa afaka mandray anjara amin’ny hetsika tsy fankatoavana ny atleta”, hoy hatrany izy. “Maharikoriko ahy na dia ny mieritreritra ny fihetsiko mitsiky mitondra ny sainam-pirenena aza, nefa feno fitaka sy fihatsaram-belatsihy ny mpitondra ao an-toerana, toy ny manao fampielezan-kevitra sy manakasitraka azy ireo aho, efa nolotoin’izy ireo ihany koa ny lanjan’ny lalao olimpika”. Vonona ny hiady hatramin’ny farany amin’izany izy satria efa namoizany ny nofinofiny izany, raha ny nambarany.
