SportTatitra

France : Hifanandrina amin’ny anglisy amin’ny lalao rugby ny vehivavy frantsay

Taorian’ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny fiadiana izay ho tompon-dakan’ny firenena enina (Tournoi des six nations), hifanandrina indray ny vehivavy frantsay mpilalao rugby sy Angleterre ny alin’ny zoma izao amin’ny 9 ora alina ao Villeneuve-D’Ascq. Manomana ihany koa ny hiandry azy amin’ny lalao manerantany eo amin’ny Rugby izy ireo. Ity lalao ity izay efa nalahatra talohan’ny fahataperan’ny lalao hiadihana izay ho tompon-daka. Efa nisy ihany koa ny lalao nataon’izy ireto ny asabotsy 24 aprily lasa teo, saingy lavon’ny anglisy teo amin’ny isa 10 no 6 ny izy ireo nandritra izany. Nilaza ny zavatra mety hitranga ny mpanazatra azy ireo, ary nanambara fa hofaranana aloha ny lalao amin’ny anglisy, ary hiditra amin’ny dingan’ny lalao ampahefa-dalana amin’ireo ekipa lehibe indray izy ireo. Raha maniry ny hanatanteraka ny nofinofiny anefa izy ireo, tsy maintsy maka marim-pamantarana amin’ny fandehan’ny lalao ankehitriny. Ny ekipa “Roses rouges” no lohalaharana erantany amin’ny lalao rugby hatreto, raha toa ka laharana faha 4 ny frantsay. Ity ekipa lohalaharana ity izay vao nahazo ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompon-daka fahatelo, ary efa nandresy ny ekipa manga izay an’i Frantsay nandritra ny fifaninana imbalo nisesy. Ny valin’ny fifaninana ataon’ny frantsay amin’ny anglisy araka izany no hamaritra ny ho tohin’ny lalao ho an’ireto ekipa manga ireto.

Laisser un commentaire