ActualitésTatitra

Russie : Firenena mantanjaka ara-toekarena  

Fanjakana federaly misabaka amin’ny kontinanta roa i Russie. Manana velanaran-tany 17 125 191 km2. Manodidina ny 146 tapitrisa ny isan’ny mponina ao aminy raha ny antontan’isan’ny taona 2021 teo. Mametraka azy eo amin’ny toeran’ny firenena fahasivy be mponina indrindra eran-tany izany.

Firenena matanjaka i Russie, indrindra ara-toekarana. Marihina anefa fa tany amin’ny tany amin’ny taona 1000 dia tsy nitsahatra nitontongana izany, tsy nahatratara ny 50% ny arin-karena faoben’ny France sy Allemagne akory ny tao an-toerana. Ny indostrian’ny vy, matanjaka, nolovainy, sy ny fahaiza-manaony teo amin’ny sehatry ny fiaramanidina, fitaovam-piadiana ary angovo kosa no nanadratra ny toekareny ary nahatonga ny arin-kareny tafiakatra 2 056 miliara dollars ny taona 2010.

Laisser un commentaire