La Réunion : Mbola tsy tony ny volkano Piton de la Fournaise
Feno iray volana katroka omaly 2 aogositra ny nipoahan’ny Piton de la Fournaise ao amin’ny nosy La Réunion. Raha tsiahivina dia ny 2 Jolay tamin’ny 7 ora sy 36 minitra maraina no nisy ny horohoron-tany nanambara fipoahana ary manodidina ny 8 sy sasany maraina no nanomboka ny fipoahana narahina « magmà ».
Amin’izao fotoana dia tsy mbola tony ny volkano ary mbola mamoaka « lave ». Nanomboka ny 7 Jolay kosa dia efa nihena ny tanjan’ny horohoron-tany ary ny tatitry ny « Observatoire Volcanologique du Piton de la Fournaise » dia horohoron-tany « volcano-tectoniques sous les cratères sommitaux» 2189 no noraiketin’izy ireo tao anatin’ny volana iray. Tao anatin’izany dia nisy ny horohoron-tany « profonds » (sous le niveau de la mer) ; « type longue-période » ary « éboulements ».
