American corner : Hahazo toerana vaovao ny ao Mahajanga
Ahafahana manolotra fandaharan’asa ho an’ireo mpikambana sy ireo izay vao hikambana no antony nanavaozana sy nitadiavana efitrano vaovao ho an’ity teorana ity. Toerana iray ahafahan’ny olon-drehetra manovo fahalalana sy mifampita traikefa ary indrindra mifampita kolontsaina eo anivon’ny amerikanina sy ny Malagasy ny « American corner ». Raha tao anatin’ny lycée Philibert Tsiranana no nahitana izany toerana izany teo aloha dia manomboka izao dia manakaiky vahoaka izy ka eo Mahajanga be no ahitana azy ary maimaim-poana ny fisitrahana ny rehetra ao.
« Toeram-panovozana fahalalana mahakasika ny lanjan’ny fifandraisana misy eo amin’ny Malagasy sy ny amerikanina ny ato amin’ny American corner. Ankoatr’izany dia eo ihany koa ny fahafahana mandray anjara amin’ny ady hevitra mahakasika ny lohahevitra maro. Ireo mpikambana rehetra ihany koa anefa dia afaka misitraka ireo “opportunités” maro be toy ny fahafahana manohy fianarana ny ivelany sy ny fampitomboana ny fahaizana miteny anglisy », hoy ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny American corner.
« Tsy mifidy salan-taona ny fidirana ho mpikambana satria ny olon-drehetra dia manan-jo hahazo fahalalana sy fahaizana. Toy izany ihany koa ny asa sy ny “activités” ny olona tsirairay, raisina daholo izay olona rehetra mazoto ka te hampivoatra ny tenany », hoy hatrany ny fanazavana.
Hovaina ny toerana sy ny tolotra, ny tombontsoa ho an’ireo mpikambana kosa dia tsy misy fiovana fa vao mainka aza hitombo izany. Tsy tokony ho ao Mahajanga irery anefa itony toerana itony, mba ahafahan’ny Malagasy maro mampandroso ny tenany sy ny fiainany.
Miora Raharisolo
