ActualitésTsidika

Fahasalamana : Nisy ny fitiliana aretina maimaimpoana tao Alasora

Tontosa tamin’ny zomà ny fitiliana maimaimpoana aretina maro tao Alasora. Ireo aretina tena mpahazo ny olona no nojerena tamin’iznay toy ny aretim-po, diabeta, tosi-drà ary ny tsy fanjarian-tsakafo.

« Isaorana ireo niara-niasa rehetra tamin’ity hetsika ho an’ny fahasalamana ity. Nisy ihnay koa ny fanafody natoraly natolotra ho an’ireo marary nandritra izany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Efa sarotra ny mitsabo tena amin’izao. Ny mijery ny aretina fotsiny dia efa volabe kanefa mbola misy ny fanafody sy ny fitsaboana arahina. Tena nanampy betsaka ahy ity fitiliana ity. Nahazo ireto fanafody ireto maimaimpoana ihany koa aho » hoy i Felana, renim-pianakaviana monina ao Alasora.

Betsaka tokoa no niara-niasa nahatontosan’ity hetsika ity toy ny Vondrona JCR sy ny Vaniala Madagascar ary ny Green Club Resort izay samy mpisehatra ara-pahasalamana ihany koa. Betsaka ireo tonga nanohina ny antso tamin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire