Viliahazo : Nivoaka ny tambin-karaman’ireo mpampianatra
Nivoaka ny tabin-karaman’ireo mpampianatra niasa nandritra ny BEPC 2019. Nisitraka izany ireo mpampianatra ao amin’ny CEG Viliahazo.
« Mankasitraka ny Tompon’andraikitra sy ny Fitondram-panjakana amin’ny fijerena ireo mpanabe. Efa nisy ny nahazo izany ary ao kosa ireo mbola mamita ny dingana ahazoana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Viliahazo. « Tsara raha manantona ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena raha misy ny torohevitra avy amin’ny vahoaka. Hiaraha-misalahy mantsy ny fanabeazana fa tsy vitan’ny resadresaka » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CEG Viliahazo.
Tsy vitsy ihany koa ireo fianarana hafa nisitraka izany tato amin’ny fari-piadidiana Avaradrano. Nnakasitraka ny fitondram-panjakana ny mpampianatra.
Nicole Rafalimananjara
