ActualitésTsidika

Fiverenan’ny coronavirus ao Ambatovy

Nahitana fihenana be mihitsy ny antontan’isan’ ireo nitondra ny tsimok’aretina Covid-19 ho an’ny faritra maro eto Madagsikara. Tafiditra ao anatin’ireny faritra Analamanga izay tena nahitana tranga maro teo aloha teo. Ankehitriny, azo lazaina ho efa naharesy amin’ny ampahany ny eto andrnivohitra raha to aka manomboka amin’ny ady kosa ny ao Ambatovy. Olona manodidina ny 30 no voatery harahina maso akaiky ao amin’ity toeram-pitrandrahana ity noho ny fisian’ny trangana coronavirus any an-toerana. Mbola tsy fantatra hatreto ny fiavin’ity tsimok’aretina tafiditra ao amin’ity ivon-toerana ity. Manao ny fikarohona ihany ny tompon’andraikitra ny amin’ny hamatarana ilay karazana covid-19 tafiditra ao amin’ity toerana ity. Nanomboka niasa ny volana martsa lasa teo ity toeram-pitrandrahana ity rehefa nikantona nandritra ny fotoana maharitra noho ny efa fahamaroan’ireo trangana coronavirus tany an-toerana tamin’ny andiany voalohany. Ankehitriny, manomboka miakatra indray ny tahan’ny olona voan’ity aretina ity any an-toerana. Mila mametraka fepetra hentitra sy matanjaka amin’ny fiarovana ireo mpiasa any an-toerana ireo tompon’andraikitra, indrindra ireo izay mivezivezy mivoaka sy miditra any an-toerana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire