Mirongatra ny fanolanana.
Ny resaka fanolanana no tena nampalaza iny taona 2020 lasa iny. Vokatry ny rari-tsaina naterakin’ny fihibohana ve ? Sa ny hagoragoran’ny fanabeazana malagasy no nahatonga izany ? Enjehan’ny lalàna foana anefa ny toy izany na inona ny endrikiny. Tsy ekena ihany koa ny fanararaotana ara-nofo ireo zaza tsy ampy taona. Ny tranga tany Fenoarivo Atsinanana no handeha horesahana, lehilahy 30 taona tratra nanodikodina zazavavy 13 taona. Nadoboka am-ponja vonjy maika noho izany ity tovolahy ity ny faha 24 Febroary lasa teo rehefa niakatra fampanoavana tao Fenoarivo Atsinanana. Niaiky ny heloka nataony izy taorian’ny famotorana ary nambarany fa efa nanomboka ny volana Oktobra 2020 izy ireo no niaraka. Ilay zazavavy aza efa mitondra vohaka 5 volana amin’izao fotoan izao. Ny fanabeazana sy ny tsy fahalalana ve no tsy ampy tamin’ireo tanora ireto ? mila omena lanja eto amintsika ihany koa ny fampianarana ara-pananahana mba hisorohana ny vohoka aloha loatra toy izao. Matetika mety hahamenatra ny hampita izany fanabeazana ara-pananahana izany kanefa ilaina sy tena mahasoa mba hanana tanora mendrika vonona hampandroso ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
