Soamiditra : Kilalaon’ny ankizy fahiny
Kilalao fanaon’ny ankizy taloha mandritra ny diavolana ny Soamiditra, fony mbola tsy niditra teto amintsika ny rivotry ny fanontoloana.
Milahatra tsiroaroa izy ireo, mifanatrika mifanohan-tanana. Asiana elanelana toy ny vavahady eo anatrehatrany, dia samy manainga ambony ny tanana. Sady mifampitehatehaka no miteny hoe « Soamiditra, miditra e, mandrosoa ». Ireo ankizy manodidina kosa dia milahatra tsirairay, mifampihazona sy mitanjozotra. Samy manjokozoko avokoa miditra eo anelanelan’ireo mitsangana. Rehefa tafavoaka kosa dia mihirahira hoe « Vala manjohy e, kitsaotsao! Valala manjohy e, kitsaotsao ! Mipetraha ny akanga. Mihomeheza ny akanga. Mitehafa ny akanga. Mandria ny akanga ». Mipetraka avy eo ary samy mihomehy sy miara-mitehaka eo.
Fahafinaretana ho azy ireo tokoa ny diavolana tamin’izany. Aiza anefa izany ankehitriny ? Mbola misy eto amintsika ve ity kilalao ity ?
Nicole Rafalimananjara
