Masindray : Mpandraharaha tia tanindrazana raha i Rakotondrabe Samuel
Isan’ny mahamaika ny mpandraharaha amin’izao fotoana izao ny hampitombo fotsiny ny ao am-paosiny mba ahazoany tombontsoa. Tsy mba toy izany kosa anefa i Rakotondrabe Samuel, avy tao Soavina Masindray.
Mpandraharaha tia tanindrazana izy tamin’ny androny. Ny taona 1940 ka hatramin’ny taona 1947 izy no tompon’ny orinasa Bateravola izay mpivarotra sy mpanodina paraky. Mitatitra sy manangona vokatra izy. Mpikambana tao amin’ny antoko MDRM izy, ary mpamatsy vola ny fikambanan’ny tanora tia tanindrazana Jina. Voasambotra izy ny 16 mey 1947 noho ny raharaha 29 martsa 1947. Nalain’ny mpanjanantany frantsay ny fananany. Notsaraina sy nomelohina ho faty izy, ary notifirina tao ankatso ny 19 jolay 1948.
Ao Masindray no misy ny fasany amin’izao fotoana izao. Nnaosika hatrany ireo mpiray tanindrazana taminy izy, na dia teo aza ny naha mpandraharaha azy.
Nicole Rafalimananjara
