ActualitésTsidika

Jono : Hitrandraka lamatra ao anatin’ny 2 taona eto Madakasikara ny orinasa Japan Tuna

Tontosa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga sy ny orinasa Japan Tuna mahakasika ny Jono lamatra amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Teny Ampandrianomby no nanatanterahana izany 20 Jolay 2022.

« Hampiditra vola 1 169 000 USD eo amin’ny kitampom-bolam-panjakana ity fifanarahana izay haharitra 02 taona ary sambo miisa 10 no hampiasan’ity orinasa ity. Hitrandraka lamatra ao anatin’ny 2 taona eto Madagasikara ny orinasa Japan Tuna » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga. « Hanampy betsaka eo amin’ny sehatry ny teo-karena ity fifanarahana ity. Hirariana hitohy hatrany ny fiaraha-miasa » hoy hatrany izy ireo.

In-telo miantoana ny fifampiresahana teo amin’ny minisitera sy ny Orinasa Japan Tuna vao niroso tamin’izao fifanaraham-piaraha miasa izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire