Tsy fandriam-pahalemana : Roa lahy mpanendaka anaty taxi-be, voasambotra
Miaina anaty tebiteby foana ny olona amin’izao fotoana nohon’ny firongatrin’ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra . Na ny mivoaka ny trano na mijanona ao an-trano , na maraina na hariva dia mitaintaina foana ny olona. Noho izany tranga izany, miezaka foana eo anivon’ny polisim-pirenena hamongotra ireny olon-dratsy ireny. Voasambotrin’ny polisy teo anivon’ny CSP 4 Isotry, teny 67 Ha ireo jiolahy anisan’ny mampitondra faisana ny vahoaka. « Fantatra ireo olon-dratsy mpanao izany ka tra- tehaky ny Polisy nanao fanamiana sivily teny amin’ny Cenam 67 Ha izy roalahy ireto rehefa tsy nahavoa ilay varavaran’ilay taxi-be saika hidirany hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny » araka ny voalazan’ny polisim-pirenena.
Tsy any anaty bus ihany anefa no ahitana ireny mpanendaka ireny fa matetika ahitana tranga fanendahana foana ny eny amin’ny faritra Andavamamba iny. Efa betsaka ny fitarainana ataon’ny olona amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana. « Mitebiteby foana aho isakin’ny mivoaka ny trano. Tsy mifidy andro sy toerana intsony ireo olon-dratsy fa izay mifanena amin’ny dia asiany avokoa. Ny tena atahorako dia izy ireo izay efa tsy manendaka fotsiny fa miafara hatarmin’ny famonoana mihitsy. Efa betsaka ny voa sy mitondra faisana ka manentana ny mpitandro filaminana foana izahay amin’izao tranga izao. Mankahery azy ireo izahay amin’ny adidy sarotra izay sahanin’izay ireo », hoy Sarobidy, mponina Andavamamba.
Tsy ny mpitandro filaminana irery ihany no afaka hanafoana ity tsy fandriam-pahalemana ity , fa misy koa ny fandraisana andraikitra avy amin’ny olon-tsotra. Anisan’ny izany ny fanomezana loharom-baovao ho an’ny polisy, mba hanamora ny fisamborana ireo olon-dratsy miriaria eny anivon’ny fiarahamonina eny. Misy ireo olon-dratsy izay miara-miasa mihitsy amin’ny olona sasany, ka izany indrindra no tokony handraisan’ny olom-pirenana andraikitra amin’ny fampitana vaovao. Ny tahotra amin’ny mety valifaty ataon’ny olon-drasy no mahatonga ny olona tsy sahy mitoroka azy ireny. Tsy tokony adinon’ny olom-pirenana anefa fa miara-miasa amin’izy iero foana ny mpitandro filaminana ary tsy tokony hatahotra amin’ny famoahana ny vaovao ny olona.
Erwan RAN
