ActualitésTatitra

Comores : Hanohana 2 miliara Francs ny sehatry ny fambolena ny mpandrindra ny tetikasa Pidc

Notontosaina ny 7 desambra teo tao Retaj ny fivorian’ny komity mpitarika ny Picd (Projet intégré de développement des chaînes de valeurs et de la compétitivité). Nahafana nampahafantarina ny mpikambana ny fivoaran’ny tetikasa sy ny fanantenana ho avy io fotoana io fa nahafahana nijery sy nankatoa ny drafitr’asa sy ny tetibolas taona 2023 ihany koa.

Nametraka vina ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fambolena fa ilaina ny fanohana ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena ao Comores mba hampihenana ny tsy fananan’asa sy hampiakarana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra ary hanoherana ny tsy fanjarian-tsakafo. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny mpandrindra ny tetikasa Pidc fa ho vatsiana 2 miliara Francs ny fambolena ao an-toerana mandritra ny dingana faharoan’ny tetikasa.

Raha tsiahivina dia tosika 800 tapitrisa no nomena orinasa 80 nandritra ny dinganavoaloahn’ny tetikasa.

Laisser un commentaire