Atsimondrano Champions League : Nandrombaka ny fandresena ny ekipa AS Sainte Anne BONGATSARA
Notanterahana ny ny alahady 05 Martsa 2023, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus ny lalao famaranana ny tompondaka « Atsimondrano Champions League » na « ACL » . Ny ekipa ny St Anne no nibata ny amboara rehefa avy nandresy ny ekipa ny 67Ha City tamin’ny isa iray no tsy misy (1-0). Lalao izay tena be mpiandry tokoa satria dia samy manana ny fahaiza-manaony daholo ny ekipa roa tonta. Noho io voka-dalao azon’ny ekipa io, afaka handray anjara amin’ny lalao Ligue 2 Analamanga 2023 ny ekipa. Marihina fa i Andry Ratsivahiny, solombavambahokan’i Distrika Atsimondrano sy ny Atsimondrano Action Sport no namorona ity fifaninana ity. Tonga nanatrika ny lalao ny Filohan’ny Klioba 67 Ha City, Faneva Ima, izay efa kapiten’ny ekipa Barean’i Madagasikara. « Efa hita fa tena miezaka be ny ekipa tsirairay hibata ny fandresena, efa hita ny talenta hanana’ny ekipa, miezaka hatrany hanatsarana izany », hoy ity kapiten’i Barea taloha ity. Nanolotra ny loka ny Filohan’ny League Analamanga sady Filohan’ny Pro League Tôta ary ny Filohan’ny section Babaina. Tonga nanotrona ny lalao ihany koa ny filoha lefitry ny federasiona.
Anisan’ny ezaka lehibe atao ny hisian’ny fifaninana toy izao mba hanatsarana ny tontolon’ny baolina kitra. « Hitondra fanatsarana amin’ny fifaninana ny fivoaran’ny ekipa tsirairay. Ny famolavolana ny tanora amin’ny sehatra matihanina no tena tanjona. Betsaka mantsy ireo mpilalao mahay anefa tsy hita taratra mihitsy », hoy mpankafy baolina kitra . Antoka lehibe amin’ny fitaizana vatana sy saina ny ihany koa izany. Ilaina ny fampiroborobona ny baolina kitra eto an-toerana mba ahafahana mampivoatra ny tanjaka sy ny lenta ananan’ny mpilalao malagasy. « Manomboka aty amin’ny fifaninana toy itony no hanarahana ny fahaiza-manao ny mpilalao iray. Ireny avy eo no tokony hotsongaina hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy » hoy hatrany ny mpankafy baolina . Efa manomboka betsaka tokoa ny mpilalao no hita fa misongadina amin’ny resaka lalao baolina kitra .
Erwan RAN
