SportTsidika

Bahrain : Voalohany sy faharoa ny mpanamory Ferrari

Hafaliana tsy omby tratra ny an’i Mattia Binotto, mpitantana ny tarika Ferrari amin’ny taranja Formule 1. Nandresy tamin’ny dingana voalohany amin’ny taom-pilalaovana 2022 i Charles Leclerc (Ferrari), ary faharoa i Carlos Sainz (Ferrari). Velom-panantenana ireo tifosi (« mpankafy ») taorian’ity dingana voalohany ity.

Fahatelo i Lewis Hamilton (Mercedes). Niala an-daharana kosa ny tompon-daka 2022, i Max Verstappen (Red Bull) sy ny mpiray tarika aminy (Sergio Perez). Mampametra-panontaniana ny lazon’adin’ny milina Honda.

Rehefa nandalo fotoan-tsarotra maro ny tarika Haas dia toa lasa matanjaka tampoka. Fahadimy i Kevin Magnussen, raha faha-11 kosa i Mick Schumacher.

Any Arabie Saoudite indray ny dingana manaraka, amin’ny 25-27 martsa.

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire