ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hanomboka ny 15 jolay ny hetsika SSMAF

Eo am-panomanana ny hetsika SSMAF tanterka ireo ekipa mpikarakara sy tomponandraikitra misahana ny hetsika amin’izao fotoana izao. Ny 15 jolay izao no hanomboka ny hetsika, eny amin’ny BTC Ambohimangakely, araka ny voalaza.

« Araka ny efa fanao isan-taona, tonga indray ny hetsika SSMAF, izay tontosaina ety amin’ny BTC Ambohimangakely. Efa vonona avokoa ny mpikarakara amin’ny fandaminana rehetra fa ianreo mpandray anjara amin’ny hetsika sisa no handrasana » hoy i Hasina, tompon’andraikitra avy ao amin’ny BTC.

« Maro be ireo tombotsoa hita amin’ny fanarahana ny SSMAF. Maro be ny hetsika “activités” afaka handraisana anjara, toa izany koa afaka maro be ireo olona mpanatalenta sy ampy traikefa hita ao ka ireo tanora manana fahaiza-manao manokana dia hasaina ho avy avokoa » hoy hatrany ny fanazavana.

Maharitra telo volana moa ny hetsika SSMAF. Misy ny lalao maro, lalaovin’olon-tokana na isan-tarika ao anatin’izany. Misy ihany ny fampirantiana ara-java-kanto, ny ara-malagasy, ny hoso-doko, ny dihy sy ny maro hafa. Misokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra ny SSMAF.

Manitra R.

Laisser un commentaire