France : Lehilahy iray no nitsatoka antsy ny reniny
Lehilahy iray 26 taona antsoina hoe Nicolas Parmentier no namono ny reniny antsoina hoe Céline Maillot tao Reims, ao Marne. Raha ny fanazavana dia tsy an’asa io lehilahy io ary nipetraka tao amin’ny reniny. Nisy ny fifandirana teo amin’izy mianaka nandritra ny nisehoan’ny tranga izay mbola tsy fantatra mazava ny antony ka izao famonoana olona izao.
Notsatohan’i Nicolas Parmentier in-33 ny antsy ary novelesiny tamin’ny maritoa ny reniny. Rehefa tonga tao an-toerana kosa ireo manam-pahefana dia ambony ambany ny entana tao an-trano. Nilaza kosa ireo mpiara-monina tamin’izy ireo fa iray andro tao alohan’ny tranga dia nokasain’io lehilahy io natsipy teo an-davarangana ny reniny.
Manoloana ny tranga kosa dia voasambotra i Nicolas Parmentier. Raha ny voalazan’ny manam-pahefana dia tsy nisy nenina io lehilahy io tamin’ny fotoana nisamborana azy fa feno fahatezerana. Nanamarika kosa izy ireo fa efa notanana am-ponja noho ny herisetra an-tokantrano ihany ka io nahavanon-doza io tamin’ny taona 2018.
