ActualitésTatitra

Etats-Unis : Tsy tonga teny amin’ny volana raha tsy nisy an’i Katherine Johnson

Teraka ny 26 Aogositra 1918 tao White Sulphur Springs (Virginie-Occidentale) i Katherine Coleman Goble Johnson, ary maty teo amin’ny faha 101 taonany ny 24 Febroary 2020 tao Newport News (Virginie).

Vehivavy mpahay fizika, matematisiana ary injeniera mikasika ny habaka i Katherine Johnson. Nandray anjara tamin’ny fandaharan’asa « aéronautique » sy « spatial » ny NACA (National Advisory Committee for Aeronautics) sy ny NASA (National Aeronautics and Space Administration) ny tenany.

Nalaza tamin’ny fahatomombanan’ny kajikajiny tamin’ny « navigation astronomique » i Katherine Johnson. Niyarika asa ara-teknika tao amin’ny NASA izy am-polo taonany maro. Anisan’ny nanao ny kajikajy tamin’ny iraka voalohan’i John Glenn sy Alan Shepard ny tenany ary niandraikitra ny fihaonana an’habakabaka ho an’ny Apollo 11.

Laisser un commentaire