ActualitésTatitra

La Réunion : Mankalaza ny faha-40 taonany ny filankevi-paritra

Tamin’ny taona 1983 no niandohan’ny filankevi-paritra tao La Réunion. 40 taona lasa izao no nanan-kery tamin’ity alalan’io filankevitra io nanampy ny filankevitra foibe io ny lalàna momba ny fitsinjaram-pahefana izay notarihin’ny filoha François Mitterrand.

Tao anatin’ny fotoana maharitra nefa dia nisedra fifandrirana ireo filankevitra roa ireo iray misahana departemanta iray. Amin’izao fotoana kosa dia efa navahana mazava tsara ny andraikitry ny roa tonta ka miverina ny filaminana. Raha ny tapaka dia misahana ny fampandrosoana ara-toekarena sy fotodrafitrasa lehibe ny filankevi-paritra.

Hankalazaina ny sabotsy izao ao Saint-Denis kosa io faha-40 taoan’ny filankevitra io, solotenan’i Europe, France ary Madagascar no voaasa amin’izany. Hisy kosa ny fampirantiana izay misokatra amin’ny daholo be ny herinandro ho avy izao.

Laisser un commentaire