Fiarovam-pirenena : Nandray anjara tamin’ny « Trail du Mandray » ny Ministra
Nandray anjara tamin’ny « Trail du Mandray » ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard niaraka tamin’ny mpianatra ho Manamboninahitra avy ao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe. Mpianatra ho manamboninahitra sy mpandray anjara miisa 500 mahery no nanatontosa ireo halavirana isan-karazany tao anatin’ity « Trail du Mandray » ity.
« Halavirana 13km900, amin’ny toerana be fiakarana, no nandraisan’ny minisitra anjara tamin’izany. Vitany tao anatin’ny adiny roa, raha toa ka adiny 4 no tokony hanaovana izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. »Tafiditra ao anatin’ny fitaizana ireto mpianatra ho Manamboninahitra ireto ny fanatanjahantena. Izany no nahatonga ny ahy niaraka tamin’izy ireo. Ho fanehoana fa tsy mifidy sarangan-taona ary ilaina hatrany ny fanaovana izany » hoy ity Ministra ity.
Eo amin’ny 3 km atsinanan’ny tanànan’Antsirabe, manaraka ny lalana miainga eo Ambalavato, no misy ny tendrombohitra Mandray. Voasokajy ho anisan’ny tendrombohitra avo indrindra manodidina an’Antsirabe i Mandray. 1 950 m ny haavony. Tazana avy eny ny karazana saha sy lahasa fanaon’ny tantsaha ary ny tanàna isan-karazany
Nicole Rafalimananjara
