ActualitésTsidika

Faritra Atsinanana : Nahazo fitaovana ny Zandarimaria

Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fiadidiana ny faritra Atsinanana ny Borigadin’ny Zandarimaria. Ireo miasa amin’ny kaominina tena mitoka-monina sy saro-dalana ao anatin’ny faritra Antsinanana no nahazo izany.

« Moto-Cross ampiasaina amin’ny fampandriana fahalemana sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany no natolotra. Kaominina10 no nisitraka izany tamin’ity andiany voalohany ity, » hoy ny Kaomandin’ny Zandarimaria Faritany Atsinanana, ny kolonely Rabelanantsoa Josh. « Dingana voalohany ihany izao natao izao. Hotohizana isan-taona ny ezaka ho fanatrarana ny velirano » hoy ny Governoran’ny faritra Atsinanana.

Zava-dehibe tokoa ny tosika atao amin’ny ekipa eny ifotony tahaka izao ho fampandrosoana ny firenena. Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire