ActualitésTsidika

Mila hamafisina ny ady amin’ny tsy fandrim-pahalemana ao Menabe

« Tsy mandry alina izahay » hoy ny mponina ao Menabe. Manjaka ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ka nanpa-kevitra ireo tompon’andraikitra. Nihazo ny faritra andrefan’ny Nosy ny ministry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard sy ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin tao aorian’ny fivorian’ny depiote sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta.

Nidina teny ifotony ny MDN ka nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra mba hijery vahaolana haingana sy maharitra iadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana. « Mila manao ezaka isika rehetra satria samy tompon’andraikitra » hoy ny manam-boninahitra iray. « Tokony hifanome tanàna » hoy izy hatrany. Napetraka ny fari-piarovana sy ny fandriam-pahalemana Tsiribihina izay tarihin’ny jerenraly Andriambao Ramisa. « Tsy mbola nisy ny fanavaozan-drafitra toy izao » hoy izy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire