Dépêches

Jiolahy avy namaky trano nifanehatra tamin’ny Polisy

19 Jolay, 08h20. Lehilahy niaraka tamin’ny entana halatra maromaro no tra-tehaky ny Corps Polisy Monisipaly ny marainan’ny alahady 18 jolay tokony ho tamin’ny 03 ora teny amoron’Anosy. Tao anatin’ny fanafihadiana no nahalalana fa avy namaky trano teny Ambohimanarina teny izy ireo, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady lasa teo. Tv écran plat 01, Jeux PS2 01 sy manette 03, Subwoofer 01 miampy baffle 01, fiara kely kilalao azo taingenana 01, montre murale 02, rideaux 03, moyeu moto 01, barre à mine 01, ireo no entana halatra tratra tamin’ity farany. Efa natolotra ny mpitandro filaminana mpanao famotorana SUT ao Tsaralalàna ity mpamaky trano ity.

Laisser un commentaire