Dépêches

Fahasalamana : Faritra miisa 5 nisitraka fitaovana fitahirizana vaksiny

Dépêche 02 mai, 15h, Ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Matsiatra Ambony, Fitovinany, ary Melaky indray no nisitraka ireto fampitaovana ara-pahasalamana ireto. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny governemanta Malagasy sy ny governemanta Amerikana amin’ny alalan’ny USAID Impact no nahazoana ireto fitaovana ireto. Tsy inona moa izy ireo fa fitaovana fitahirizana vaksiny « équipement de chaine de froid ». Ny tena tanjona nibaribary tamin’ity hetsika ity dia ny ahafahana manamafy ny fiarovana ireo vahoaka Malagasy manoloana ireo valan’aretina isan-karazany. 

Laisser un commentaire