SSMAF Ambohimangakely: Misokatra ny fandraisana anjara amin’ny “challenge SSMAF Zah”
Karazana kilalao malaza be ao anatin’ny tambazotran-tserasera ao ny “challenge”. Miseho amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra nataon’olona iray amin’ny endriny hafa araka ny fahaizanao izany. Karazana fifaninana ilay atao hoe “challenge”. Noraisin’ny mpikarakara ny hetsika SSMAF ary izany ka nisian’ny “challenge SSMAF Zah”. Efa manomboka ny fifaninana amin’izao fotoana izao.
“Ny “challenge SSMAF Zah dia natao indrindra hampahafantarana ny karazana toerana rehetra mampalaza ny distrik’ny Avaradrano Antananarivo. Maka sary eny amin’ireny toerana ireny fotsiny ny mpifaninana ka ireo namany ihany no ho mpitsara ao anatin’izany. Izay mahazo “j’aime” betsaka indrindra no handresy amin’ity andiany ity”.
Araka izany dia maka sary fotsiny no hany atao raha te handray anjara ary mandefa izany ao amin’ny pejy facebook an’ny BTC ary manaparitaka izany avy eo. Tsy maintsy ampiarahina amin’ny “hashtag” #SSMAFZah sy #BTC ny sary rehetra izay havoaka. Hifarana ny faran’ny volana may izao ny fandraisana anjara. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika SSMAF andiany fahatelo ity challenge ity. Loka maro no hozaraina amin’izany.
Miora Raharisolo
