Fahasalamana : Efa mitsangana ny tetik’asa hanatsarana ny fandraisana ireo marary ao Moramanga
Efa manomboka ny asa fananganana ny « Unité de Rééducation Fonctionnelle » ao amin’ny CHRD Moramanga. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka « Fondation Axian » ary ny « Miracle feet ». « Fahasalamana ho an’ny daholobe no tanjona. Vonona hatrany ny Ministera hanatanteraka izany. Misokatra ihany koa ny fiaraha-miasa ho an’ny fahasalamana” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. “Asa vadi-drano tsy vita raha tsy hifanakonana” hoy ny ohabolana Malagasy mahalaza izao tetik’asa izao. “Mila hatsaraina tokoa ny fahasalamam-bahoaka. Tsinjovina manokana ao anatin’izao tetik’asa izao ireo zaza, ankizy, olona lehibe tratry ny tsy fahatomombanana ara-batana” hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny hôpitaly. Ny vahoaka salama tokoa no antoky ny fampandrosoana. Raha marary ny vahoaka, inona no hery hanatsarany ny fiainany? Ny fireneny? Ny taranany?
Nicole Rafalimananjara
