SocialTsidika

Angovo: Misokatra ny fanadihadihana ny antony nahamay ilay fitaovana tany Andekaleka

Nanamafy ny fisokafan’ny fanadihadihana mikasika ny antony nahamay ilay fitaovana fanodinana herinaratra tany Andekaleka ny Ministeran’ny fitsarana. Niteraka korotana lehibe amin’ny fahatapahan’ny herinaratra mantsy izany. “Ny Ministeran’ny fitsarana no tompon’andraikitra manara-maso ny filaminam-bahoaka. Niteraka fikorotanana teo amin’ny herinaratra sy ny fisitrahana rano ireny fahamaizana ireny. Misokatra ny fanadihadihana amin’ny antony tena nahatonga izany” hoy ny Ministra Imbiki Herilaza. “Efa nandefa polisy teknika sy siantifika teny an-toerana ny fitondram-panjakana hanampy ny JIRAMA. Izy ireo no hanao ny fanadihadihana miaraka amin’ny ekipan’ny angovo” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny angovo. “Tsy mbola misy hatreo ny olo-meloka. Efa nisy kosa ny fanontaniana napetraka tamin’ireo mpiambina tao an-toerana. Na izany aza, hita fa efa niharatsy ny fitaovana ka heverina ho nitarika cours circuit izany ary niteraka ny afo” hoy i Radanielina Rivo, Tale Jeneraly vonjimaikan’ny JIRAMA. Niteraka korontana tokoa ny fahasimban’ny fitaovana mpanodina herinaratra. Efa tonga ireo solony saingy mila fotoana maharitra ny fametrahana azy. Inona marina no tena nahatonga ny loza?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire