Belgique : 0, 2% amin’ireo vita vaksiny no tratran’ny COVID-19
0, 2 % tamin’ireo vita vakisny tany Belgique no voan’ny COVID-19 hatramin’izay nisian’ny fanaovam-baksiny raha ny tatitra nomen’ny Institut ny fahasalamam-bahoaka. 2, 1% amin’ireo marary no niditra hopitaly nanomboka ny 1 janoary lasa teo. Efa miroso ihany koa ny fanaovam-baksiny any an-toerana ka 6,3tapitrisa amin’ireo marary no efa vita vaksiny tamin’ny fatra roa. Nahitana fihenany araka izany ny tahan’ny fifindran’ny aretina tany an-toerana raha 0, 2% teo nanomboka ny 2 hatramin’ny 8 aogositra. Zava-dehibe ho an’ny firenena araka izany ny fanaovam-baksiny.
