SocialTatitra

Mayotte : Ireo mpilatsaka an-tsitrapo no manampy amin’ny fitandroana filaminana

Ireo tanora no mandray andraikitra sy manampy amin’ny fitandrona ny filaminana ao Mayotte, amin’izao fotoana. Manao vy verin’ny ainy izy ireo amin’ny fiarovana ny mponina noho ny tsy fandriam-pahalemana. Noho ny zava-misy any an-toerana, ny fitomboan’ny ny mponina ao Kawéni, vokatry ny fifindra-monina, dia maro ireo tsy manara-dalàna intsony. Ankoatra izany, mitongatra ihany koa ny adim-piaraha-monina isaky ny tanàna. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo araka izany no manampy amin’ny fandaminana ho fampandriana fahalemana ny tanàna, manara maso sy miambina ny tanàna.

Laisser un commentaire