Torohevitra : Fomba natoraly afaka ampihenana ny vatana
Maro be ireo te hikarakara vatana, indrindra ny vehivavy kanefa tsy manana fotoana firy hidirana amin’ireny toerana fitaizam-batana ireny na tsy ampy enti-manana. Anisan’ny mahatonga ny vatana mora matavy ny tsy fandanjalanjana ny sakafo hanina sy ny fomba fiaina. Manahirana anefa, fa rehefa mahazo vahana ny vatana na zatra ilay fomba ratsy dia mora ngeza. Misy ny fomba tsotra azo atao hikarakarana sy hitaizana ny vatana, hanalana ireo menaka sy tavy ratsy any anaty ary mampihena ihany koa.
Ny zavatra ilaina dia ny voasarimakirana, ny sakamalaho ary rano. Ahoana ny fikarakarana azy ? voalohany indrindra, sasana madio tsara ny voasarimakirana sy ny sakamalao, rahefa izay dia tetehina boribory ny voasarimakirana, ary ny sakamalao kosa dia rappena. Vita izay dia atao anaty rano ary ampangotrahana. Rehefa mangotraka dia bataina ary avela angatsitsiaka. Io avy eo no sotroina isakin’ny maraina sy hariva, andin’ny 2 ora mialohan’ny sakafo.
