Ambohimangakely : Mety tsara ho an’ny mpitatitra zotra E ilay « challenge » vaovao
Nalaza teto amin’ny tambajotran-tserasera ilay fifaninana na « challenge » manadala fiara fitateram-bahoaka iny : Manakana fiara ny olona roa, lahy sy vavy ka mifampibaby avy eo. Fomba iray azo hanintsiana ireo fiara mpitatitra manao tsinotsinona ny mpandeha, indrindra ho an’ireo mandeha amin’ny zotra E mankany Avaradrano, izay tena mitaraina andro aman’alina.
« Azo entina hanintsiana ireo fiara fitateram-bahoaka maka olona tsy eny amin’ny toeram-piantsonana mihitsy ity kilalao iray ity ary mampatonga saina ireo mpanampy ny mpitatitra mihitsy aza » hoy i Florence tao anaty facebook. « Ireo mpitatitra mankany Ambohimangakely ireo dia tena mendrika atao toy izao mihitsy satria rehefa hariva tsy te handray olona mihitsy, indrindra ireo mandeha mihoatra an’i Ampasampito, kanefa rehefa ilay vodihazo iny tahaka ny inona » hoy i Koly, mponina any Ambohimangakely.
« Tokony asiana sazy mihitsy ireo fiara mpitatitra tsy mahay manaja ny mpandeha sy tsy mahay manaja ny asany ireo fa tena tsy mety mihitsy izany » hoy i Hermann, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy sasatra ny mitaraina manoloana ny tsy rariny ataon’ny mpitatitra tokoa ny vahoaka, saingy tsy mbola misy ny fiovana. Tsy matahotra sazy ve ireo mpitatitra manao tsinotsinona ireo sa efa misy miaro azy ao ambadika ao ?
Nicole Rafalimananjara
