ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Hisokatra tsy ho ela ny toeram-pivarotam-panafody vaovao ao Ambohitrarahaba

Toeram-pivarotam-panafody vaovao iray ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy no hanaokatra ny varavarany tsy ho ela, ho an’ireo mponina ao an-toerana. Araka izany indrindra, mitady olona hanampy azy ireo ny tomponandraikitra misahana ny toerana amin’ny fandrindrana izany, raha ny voalaza.

“Amin’izao fiomanana amin’ny fisokafan’ny toeram-panafody eto Ambohitrarahaba izao, dia mitady auxilliaire de vente na agent comptoir izahay, tsara kokoa raha efa manana traikefa amin’ny fikarakarana fanafody no tena ilaina. Mitady ihany koa comptable, stockiste, chauffeur, livreur na coursier ary femme de ménage mba hifanampy aminay » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

“Ho an’ireo izay liana amin’izany moa dia afaka manatitra ny CV ety amin’ny La pharmacie Andranobevava no handraisana izany. Tsara atao mazava tsara ao anatin’izany ny asa tiana atao sy ny lahara-tariby hifandraisaina” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Raha ny voalaza hatrany, natao indrindra ho an’ireo tanora na izay efa manana traik’efa amin’ireo asa notanisaina ireo izao tolotr’asa omen’ity toeram-pivarotam-panafody vaovao ity izao, fa indrindra ihany koa natao ho an’ireo izay mipetraka eo amin’ny fokontany Ambohitrarahaba sy ny manodidina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire