ActualitésTsidika

Nahazo kamio vaovao ny Kaominina Antananarivo

Ao anatin’ny tetikasa fanatsarana an’Antananrivo tanteraka izao ny « Produir ». Kamio iray fanariam-pako araka izany no natolotra izy ireo ny tanànan’Antananarivo ny alakamisy.

Raha tsiahivina, ny Produir izay Tetikasa Fampiroboroboana ny tanàna sy ny faharetana dia hetsika fampivoarana an’Antananarivo vatsian’ny Banque Mondiale. Nisy moa ny fampivondronana ireo ben’ny tanana avy amin’ny kaominina fito ivelaran’ ity tetikasa ity tao amin’ny Carlton Anosy ny enina aogositra lasa teo.

Anjaran’ny kaominin’Antananarivo izao ny nahazo ity kamio fanariam-pako ity izy mba hanohanana ny hetsiky ny tanàna amin’ny asa fanadiovana any amin’ny faritry ny fokontany.Ankoatran’izay azo ampiasana izy ity hitaterana fitaovana hanatanterahana ny asa eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina.

« Tetikasa tsara ity ataon’ny Produir ity, mety hampandroso be an’Antananarivo tokoa » hoy Ranaivoson, tompon’andraikitra eo anivon’ny Fokontany iray.

Tsara ny manamarika fa dimy taona ny faharetan’ity tetikasa ity, izany hoe amin’ny febroary 2023 no fiafarany. Tokony ahitana fihenana arak’izany ny fidoroboky ny fako eto Antananarivo amin’izao fahazoana kamio vaovao izao.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire