Azo lavina ve ny didy avoakan’ny HCC ?
Nivoaka ny alatsinainy teo ny didy navoakan’ny HCC mikasika ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra izay tsy maintsy solombavambahoaka no filohany. Hatahorako hisy ady indray ny amin’io lalaàna io eto amin’ny firenena hoy ny mpanara-baovao iray.
Tetsy an-kilany anefa, nitsipika tanteraka izao lalàna izao ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay filohan’ny antoko mpanohitra ankehitriny. Aiza ho aiza amin’izao ilay filazana fa hanaja ny lalàm-panorenana vao lany ho filoham-pirenena, izay fihanianana natao vao nahazo fahefana hoy ny teniny.
Rehefa lalàna dia lalàna ary ny asan’ny HCC dia manaraka amin’ny an-tsipirihany izay voalazan’izany lalàna izany fa tsy hanao tao foana hoy ny mpanohana azy. Mitsipaka tanteraka ny fanapahan-kevitrin’ny HCC noho izany ny tenany ary nanambara fa tsy hipetraka fotsiny amin’izao manoloana ny fanovana ny sata mifehy ny fanoherana eto amin’ny firenena. Inona no mety hiseho ? Korontana ho an’ny firenena sa vao maika hiteraka filaminana ?
Nicole Rafalimananjara
