Ambohimangakely : Tratra ny iray tamin’ireo mpanendaka teny Ambohimahitsy
Mpanendaka iray teny amin’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely no trataran’ny zandary avy ao amin’ny birgadin’Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, efa malaza ratsy amin’ny fisiana asa fanendahana eny an-toerana, ary mandratra sy mamono ireo lasibatra ny olon-dratsy, ka nanaovan’ny mpitandro filaminana haza lambo.
“Mirongatra ny fanendahana eny amin’ny faritra Ambohimahitsy, araka ny fitarainan’ny mponina eny an-toerana. Sady manendaka ireo olon-dratsy no mandratra ihany koa ireo lasibatra. Toa ny nitranga tamin’ny 14 oktobra teo, tovolahy iray no sady naratra no lasan’izy ireo ihany koa ny vola sy ny finday tamin’izany” hoy ny avy amin’ireo mpitandro filaminana.
“Rehefa nataon’ny zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Soamanandrariny ny fikarohana ny nahavanon-doza dia tsy namelan’izy ireo raha tsy voasambotra ny 18 oktobra 2023 teo ny tovolahy iray tompon’antoka tamin’ity fanendahana ity” hoy hatrany ny fanazavana.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny zandary amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Ilaina ihany koa anefa ny fiaraha-mientana amin’ny mponina ao anatin’ny famongorona ireo mpanendaka. Marihina moa fa niaiky ny fandikan-dalàna nataony ity lehilahy ity aty mbola tratra tany aminy ny finday izany nendahiny an-keriny.
Manitra R.
