Pastéque : Tsara ho an’ny voa (rein)
Mety hiteraka diabeta sy fiakaran’ny tosidra ny aretin’ny rein. Azo tsaboina amin’ny alalan’ny pastéque anefa izany. Manakarena rano sy ahitana siramamy, fibre ary otrikaina ilaina toy ny vitamine A, B6, C izy. Ahitana magnesium ihany koa. Misy singa manala arafesina ao anatiny. Tsotra ny fampiasana azy : mila mihinana patéque izay lany tsy misy fatrany izay hoe atao sakafo mihintsy. Tsy misotro rano na mihinana sakafo hafa fa iny ihany no hoanina fa efa misy izay rehetra ilain’ny vatana ao anatiny. Atao mandritra ny 4 andro misesy izany. Hita manaraka ny amany ireo vato izay mamparary ny rein amin’ny faha 3 andro nihinanana. Mahazo miverina mihinana sakafo rehefa vita ny 4 andro saingy mbola mitohy ny fihinanana azy. Atao antsasany, hanina maraina ary ny antsasany hoan’ny hariva mba ho afaka tsara ilay vato ao amin’ny rein.
