ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny fifananinana basket-ball tournoi du maire 2023

Hisy ny lalao fifaninanana baolina kitra, tournoi du maire 2023, eo amin’ny taranja baolina basket, amin’ny alahahady izao, izay karakarain’ny kaominina Alasora. Ao amin’ny kianja filalaovam-baolina, ao amin’ny EPP Miadana no hanatanterahana izany, araka ny voalaza.

« Samy hilalao avokoa ny sokajy lahy sy vavy amin’io alahady io. Manomboka amin’ny 09ora maraina, ny sokajy vehivavy no hisantatra ny lalao. Hifaninana amin’izany ny ekipa avy amin’ny fokontany Miadana sy Ambohidrazaka. Aorian’izay amin’ny 10ora ny fokontany Ambatomalaza hiaona amin’ny Alasora” hoy ny avy amin’ny mpikarakara.

“Vita ny lalao eo amin’ny sokajy vehivavy dia hiakatra kianja amin’ny 11ora atoandro ny lehilahy amin’io alahady io hatrany. Hisantatra izany ny ekipan’Ambodivoanjo sy Amboaroy. Aorian’izay kosa amin’ny 12ora Ankadindratombo hiaona amin’ny Ankazobe ary mamarana io andro ny lalao hiaonan’Ambodivondava sy Miadana” hoy hatrany ny fanazavana.

Misy hatrany ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena izay karakarain’ny kaominina Alasora. Zava-dehibe tokoa izany, ary manao laharam-pahamehana izany ny tomponandraikitra mba hanomezana lanja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena.

Manitra R.

Laisser un commentaire