ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Miantso ireo tanora hilatsaka an-tsitrapo ho amin’ny fanatanterahana ny paik’ady Seikatsu Kaizen

Ho fampianarana sy fampiarana ny paik’ady Seikatsu Kaizen, izay tetik’asa « Fanatsarana fiainana » iarahan’ny kaominina Ambohimanambola miasa amin’ny mpilatsaka an-tsitra-po vy any Japon Rie Kigawa sy ny fikambanana Misarika, miantso ireo tanora ao an-toerana sy ny manodidina, hirotsaka an-tsitrapo (volontaire) amin’ny fanatanterahana izany, arak’izany ny kaominina, amin’izao fotoana izao.

“Mila ireo tanora tia fandrosoana, tia manampy ny hafa, tia mifanerasera ary vonona hitondra fiovanana ho an’ny tenany sy ny manodidina azy indrindra izao tetik’asa izao. Ireo tanora ireo izay ho volontaire na mpilatsaka an-tsitrapo an’ny kaominina sy ireo mponina eny amin’ny tontolo ambanivohitra” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

“Ho an’ireo izay liana amin ‘izany dia afaka manantona avy hatrany ny biraon’ny kaominina Ambohimanambola, varavarana faha 14, manoratra ny anarana sy maka fanampimpanazavana” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Manohana ary manampy ireo tanora amin’ny fanovozam-pahalalana sy fampitomboana traik’efa ny hetsika tahaka izao, izay hanentanana ireo tanora indrindra tsy ho kamo na hiandry tambiny vao hanatanteraka asa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire