SocialTsidika

Mpangalatra cacao tra-tehaka tao Ambanja

Nirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana ao Ambanja. Lehilahy efatra nirongo basy nikasa hangalatra cacao tao amin’ny fokontanin’Ampamakia ao amin’ny kaomina renivohitr’Ambanja no tra-tehakin’ny mpitandro filaminana ny alatsinainy teo vao nangiran-dratsy. “Fiaraha-miasa tamina olona tsara sitra-po tsy nitonona anarana no nahatanteraka izao” hoy ny fanazavan’ireo polisy nisahana ny raharaha.

Araka ny tatitry ny polisy dia efa nanafika tao antanambazaha ny iray tamin’ireto lehilahy ireto ny 30 jona teo izay nahafatesana raim-pianakaviana iray. Talohan’ny fisamborana azy anefa dia efa nisambotra olona 7 hafa voarohirohy tamin’ity raharaha ity ny mpitandro ny filaminana. Ny roa amin’ireo no efa any am-ponja raha mbola tazonin’ny polisy ao Ambanja kosa ny dimy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire